Romans 15

1Ary isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen’ny malemy, ary tsy tokony hanao izay mahafinaritra ny tenantsika. 2Aoka ny tsirairay avy amintsika hanao izay mahafaly ny mpiara-belona aminy fa izany no tsara, mba hanandratana azy.

3Fa na Kristy aza tsy nanao izay nahafinaritra ny tenany. Fa kosa, izany dia araka ny efa voasoratra hoe: ‘’Ny faniratsiran’ireo izay maniratsira anao dia nianjera tamiko.‘’ 4Fa na inona na inona voasoratra teo aloha dia voasoratra ho fampianarana antsika, mba amin’ny alalan’ny faharetana sy amin’ny alalan’ny fampaherezan’ny Soratra Masina no hananantsika toky.

5Ary ny Andiamanitry ny faharetana sy fampaherezana anie hanome fisainana mitovy ho an’ny tsirairay avy araka an’i Kristy Jesosy. 6Izy anie anao izany mba ho amin’ny fisainana iray sy amin’ny vava iray ihany no hideranareo an’Andriamanitra sy Rain’i Tompontsika Jesosy Kristy. 7Noho izany mifandraisa, tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo ihany koa aza, ho fiderana an’Andriamanitra.

8Fa lazaiko fa Kristy dia efa tonga mpanompon’ny voafora ho an’ny fahamarinan’Andriamanitra, mba hahafahana manamarina ireo fampanantenana izay nomena ireo ray, 9ary ho an’ireo Jentilisa mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra nohon’ny famindram-pony. Izany dia araka ny efa voasoratra hoe: ‘’Noho izany dia hanome fiderana Anao eo amin’ireo Jentilisa Aho ary hihira fiderana ny anaranao.‘’

10Mbola voalaza hatrany hoe: ‘’Miravoravoa, miaraka amin’ny vahoakany, ry Jentilisa.‘’ 11Ary koa hoe: ‘’Derao ny Tompo, ry Jentilisa rehetra; avelao ny olona rehetra hidera Azy.‘’

12Hoy indray, Isaia hoe: ‘’Hisy fakan’ny Jese, ary ilay iray izay hitsangana hanapaka eo amin’ny Jentilisa. Hanana fahatokiana aminy ireo Jentilisa.‘’

13Ary ny Andriamanitry ny fahatokisana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy fiadanana rehetra amin’ny finoana, mba ho feno fahatokisana ianareo, avy amin’ny herin’ny Fanahy Masina.

14Ny tenako izao ihany koa dia resy lahatra ny momba anareo, ry rahalahy. Resy lahatra aho fa ianareo ihany koa dia feno fahatsarana, feno ny fahalalana rehetra. Resy lahatra aho fa ianareo ihany koa dia afaka mifananatra.

15Fa manoratra am-pahasahiana aminareo aho momba ireo zavatra sasany mba hampatsiahivana anareo indray, nohon’ny fanomezam-pahasoavana izay nomen’Andriamanitra ahy. 16Izany fanomezam-pahasoavana izany dia ny tokony mba hanompoako an’i Kristy Jesosy nalefa tany Jentilisa, mba hanolotra tahaka ny sorona ny filazantsaran’Andriamanitra. Tokony hataoko izany mba ho azo ekena ny fanatitr’ ireo Jentilisa, voatokan’ny Fanahy Masina.

17Noho izany ny hafaliako dia ao amin’i Kristy Jesosy sy ireo zavatr’Andriamanitra. 18Fa tsy ho sahy hiresaka na inona na inona afa-tsy ireo zavatra vitan’i Kristy tamin’ny alalako ho an’ny fankatoavan’ireo Jentilisa aho. Ireo zavatra ireo dia vita tamin’ny teny sy asa, 19tamin’ny herin’ireo famantarana sy fahagagana, ary tamin’ny herin’ny Fanahy Masina. Izany dia mba avy any Jerosalema, sy lavidavitra tahaka an’Ilyrikioma, no hahafahako manataneraka ny filazantsaran’i Kristy.

20Amin’izany, ny faniriako dia ny hitory ny filazantsara, fa tsy any amin’izay ahafantarana an’i Kristy amin’ny anarana, mba tsy hanorenako eo amin’izay efa nanorenan’ny hafa. 21Izany dia araka ny voasoratra hoe: ‘‘Tamin’ireo izay tsy nilazana Azy no hahita Azy, ary ireo izay tsy nandre no hahazo.‘’

22Noho izany ihany koa dia voasakana matetika tsy ho any aminareo aho. 23Fa ankehitriny, tsy manana toerana amin’ireo faritra ireo intsony Aho, ary taona maro no efa naniriako mafy ho any aminareo.

24Noho izany na oviana na oviana andehanako any Espana, dia manantena aho ny hahita anareo rehefa mandalo, ary haterinareo any amin’ny alehako, rehefa avy mankafy ny fiarahanareo vetivety Aho. 25Fa ankehitriny ho any Jerosalema Aho hanompo ireo mpino.

26Fa fifalian’i Makedonia sy Akaia ny hanao fandraisan’anjara ho an’ireo mahantra isan’ireo mpino izay any Jerosalema. 27Eny, fifaliana ho azy ireo izany, ary, mpitrosa aminy tokoa izy ireo. Fa raha ny Jentilisa no nizara tamin’ny zavatra masin’izy ireo, dia tokony hanompo azy ireo ihany koa izy ireo amin’ireo zavatra ara-materialy.

28Noho izany, rehefa notanterahako izao asa izao ary nanamafy fa voarain’izy ireo ny vokatra izay nangonina, dia ho any Espaina aho ary hitsidika anareo amin’ny lalako. 29Fantatro fa rehefa mankany aminareo aho dia hiditra amin’ny fahafenoan’ny fitahian’i Kristy.

30Ankehitriny mamporisika anareo aho, ry rahalahy, amin’ny Jesosy Kristy Tompontsika, sy amin’ny fitiavan’ny Fanahy, mba hiaraka hiady amiko ianareo amin’ny vavaka ataonareo amin’Andriamanitra ho ahy. 31Mivavaha mba ho avotra amin’ireo izay tsy mankatoa any Jodia aho, ary mba ho eken’ireo mpino ny fanompoako ho an’i Jerosalema. 32Mivavaha mba hiaviako aminareo amin-kafaliana amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ary mba hahafahako, mahita fitsaharana, miaraka aminareo.

Andriamanitry ny fiadanana anie homba anareo rehetra. Amena.

33

Copyright information for PltULB